Parlons bien, disons vrai.

Arabaina e !

Ny tarika BAKOMANGA no voahosotra hisolo teorana an’i Madagasikara amin’ny antsoina hoe ;  » Festival Dance-Africa  » izay hatao any Etazonia amin’ny volana mai taona 2014 ho avy izao.
Tao amin’ny trano fanaovam-pety na ny Dôme ny RTA no nanaovana ny fifaninana tamin’izany ka tera-tany amerikanina efa-dahy be izao avy ao amin’ny Brooklyn Academy of music na ny BAM no mpitsara tamin’ny fifaninanana.
Vao nirotsaka ny valim-pifidianana dia nihazakazaka niakatra an-tsehatra ny tarika BAKOMANGA ka nihorakoraka sy nitehatehaka ary dia tao mihintsy aza ny nirotsa-dranomaso noho ny hafaliana.

Le groupe de folk Bakomanga

Le groupe de folk Bakomanga

Mahafinaritra ny tahaka izao hoy Bakomanga izay mpitarika ny tarika rahateo, satria tsy hita taratra intsony ny tsikombakomba na ny kiantrano an-trano, eny fa na ny politika koa aza rehefa misy ny fifaninanana. Antenaina ho toy izany foana no hisy eto amintsika amin’ny manaraka rehetra.
Saika hita tamin’ity fifaninana ity daholo ny hira sy dihy manerana ny nosy ka ny nanombohana azy dia ny hira gasy. Nanaraka izany ny dihin’ny tromba izay fahita any amin’iny faritra avaratra andrefan’ny nosy iny. Dia teo ihany koa ny dihy  » kilalaka  » avy any amin’ny faritr’i Menabe.
Koa dia manomboka eto izany dia efa manatevina ny famerenany ny tarika Bakomanga ary dia hiidina any amin’iny faritra’Andranomafana iny izy ireo ka efa hisy sahady ny fakàna sary sy feo ny laha-dihy ataon’izy ireo.
BABA CHUCK DAVID, iray amin’ireo avy amin’ny BAM no miaraka amin’ity tarika ity amin’izany ka nilaza fa, ankoatra ny fanoroan-kevitra ny tarika, dia hirotsaka mihintsy koa eo amin’ny fiaraha-mandihy aminy izy.
Mirary fahombiazana ho an’ny tarika BAKOMANGA isika mba hitondrany avo ny lazan’i Madagasikara eo amin’ny hai-tao eo amin’ny sehatry ny hira sy ny dihy.

La Rédaction

102 Kara est un site libre. Il divulgue les infos que l'on nous fait parvenir . Nous nous efforçons de vérifier l'exactitude de ces divers informations avant de les mettre en ligne. Si vous avez des suggestions, veuillez nous les faire parvenir en cliquant ici. Nous vous remercions de votre fidélité.