Parlons bien, disons vrai.

Fihetsika mamoa fady, tsy mendrika

Azo lazaina fa manan-kasina eo amin’ny Malagasy ny olombelona : na velona izany na maty.

Raha ho an’ny maty manokana dia omena ny haja aman-kasina sahaza azy izy ireny. Ary izany indrindra no efa naha fomban-drazana teo amin’ny Malagasy ny famadihana. Tsy manaiky izany very faty izany ny Malagasy, ary sanatriaviny ihany koa ny mandoro faty toy ny ataon’ny sokajin’olona vahiny.

Na eo aza anefa izany dia misy ireo tsivalahara sy maty eritreritra ary tsy mataho-tody mamaky fasana ary mangalatra ireo taolam-paty.

Vao tamin’ny herinandro lasa teo mantsy dia taolam-paty milanja 1500 kilao tao anatin’ny gony 18 no tra-tehaky ny mpitandro filaminana tany Mahanoro – Vatomandry tany amin’ny faritanin’i Toamasina. Izany dia vokatry ny fiara-miasan’ny mpitandro filaminana sy ny olona tsara sitrapo tany an-toerana. Olona folo (10) izy ireo no tratra sy voasambotra tamin’izany.

Dia hoy ny maro hoe : mendrika ireo mpangalatra ireo ny sazy faran’izay henjana, satria tsy misy maha-olona azy ireo intsony.

©midi-madagasikara

 

Fa ny fanontaniana mipetraka ary mahalasan’eritreritra ka ilam-baliny dia ny hoe :  atao aiza moa izany ireo taolam-paty be dia be ireo ?…. satria raha toy ny entana halatra sasany,  dia azo averina amin’ny tompony, fa ireto taolana ireto kosa  dia sarotra ny ahafantarana hoe :  » ity no taolan-dRakoto na Rabe ka aleo haverina amin’ny havany  »

Ary matoa koa misy mangalatra ireny taolam-paty ireny dia  satria misy mandray. Ka eo indrindra no tokony ho atao izay hahalana ny ati-doha  mikotrika sy mpandray ireny taolam-paty ireny. Voalaza koa mantsy fa lafo vidy noho ny vatosoa sy ny volamena ireny taolam-paty ireny rehefa voaodina. Koa izany koa no tokony hanaovana fanadihadiana lalina ary hametrahana ny sazy fran’izay henjana ho an’ireo mpamoa fady sy ny mpiray petsapetsa amin’izy ireny.

La Rédaction

102 Kara est un site libre. Il divulgue les infos que l'on nous fait parvenir . Nous nous efforçons de vérifier l'exactitude de ces divers informations avant de les mettre en ligne. Si vous avez des suggestions, veuillez nous les faire parvenir en cliquant ici. Nous vous remercions de votre fidélité.

Poster une réponse

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.