Parlons bien, disons vrai.

Klasika no ady eo

resize_image.php » VOX ANGELI  » Io no anaran’ny ANTOKO MPIHIRA vaovao iray, ary ahitana mpikambana 25 izay malagasy daholo, saingy efa sangany sy za-draharaha eo amin’ny fiangaliana mozika. Na dia vao tamin’ny 2012 aza izy ireo no niforona, raha ity sokajina mozika ity no resahina, dia efa tena mahafehy izany tanteraka izy ireo : tsy inona moa izany fa ny  » MOZIKA KLASIKA  »
Koa tsy vitan’ny hoe hampahafantatra ny Malagasy ny hasoa sy hakantony ary ny tantaran’ny mozika klasika fotsiny izy ireto, fa hampisongadina ihany koa ny tena tantara sy ny làlana nodiavin’ny kanto ara-kira Malagasy.
Vao tsy ela akory izay izy ireto no niangaly tao amin’ny Koleju Masina Misely etsy Amparibe, ka nampitolagaga tokoa ny zava-bitany. Nambaran’ny mpitarika Fahombiazana Andrianamelasoa fa efa za-draharaha avokoa ireto mpikambana ato amin’ny Vox Angeli ireto, satria notsongaina avy amin’ny fiangonana sy tempoly ireo mpiangaly ny krazam-peo ( dia ny feo voalohany izany, na ny feo faharoa, ny feo fahatelo, ny beso sy ny sakam-peo isan-karazany ).
Koa tsy mahagaga raha mampiaiky sy mampitolagaga ary nahazendana mihintsy ny maro ny fampiaraham-peon’izy ireo. Avy hatrany dia azon’ny maro an-tsaina izany tena atao hoe  » mozika klasika  » izany.
Mba ampahafantarana bebe kokoa nymaro ny mikasika ny tena antsoina hoe  » mozika klasika  » dia hisy ihany koa ny fampisehoana maimaim-poana hataon’izy ireo, afa-tsy ny any amin’ny trano fivavahana isan-tokony.

La Rédaction

102 Kara est un site libre. Il divulgue les infos que l'on nous fait parvenir . Nous nous efforçons de vérifier l'exactitude de ces divers informations avant de les mettre en ligne. Si vous avez des suggestions, veuillez nous les faire parvenir en cliquant ici. Nous vous remercions de votre fidélité.