Parlons bien, disons vrai.

Lembu sy Lembu Jantan

Ny fototra niavian’ny Anarana teto Imerina : Lembu sy Lembu Jantan ary Orang-Langit (tapany voalohany)

Manomboka ity taona 2016 ity aho, dia hiezaka arak’izay tratry ny fotoanako hifampizara anareo ny fahalalana kely mba haiko (sy fianarana mbola rantoviko amin’izao), ka mba indray isam-bolana aho hiezaka hamoaka lahatsoratra siantifika manodidina ny Tantaran’Imerina (sy Madagasikara), ka amin’ny maha mpianatra Antropolojia ahy no hitondrako izany. Anisan’ny singa / fitaovana iray fampiasa entina mikaroka ny tantara ny “Ethnolinguistique”, ka ny ankamaroan’ny zavatra hifampizarako anareo eto dia mampiasa izany fitaovana izany matetika. Hoan’ireo te hahafantatra ny “methodologie” nitondrako izany, sy ireo porofo siantifika, dia eo amin’ny “commentaire” aho no mamaly anareo.

Taorian’ireo taonarivo sy taonjato nifandimby, ny onja sy ny riakan’ny fotoana dia maro ireo voambolana #Merina mitady ho very sy ho adino. Koa amin’izao taonarivo fahatelo izao dia ataoko fa adidintsika Taranaka no miezaka mafy mba hamelomaso izy ireny indray, araky ny singa izay any amintsika tsirairay avy any no hatambatra.Ka eto aho dia hifampizara aminareo ireo singa mbola aty amiko, avy amin’ny fianakaviako (lovan-tsofina miampita avy amin’ny raibe mankany amin’ny zafy) hamafisin’ ireo fianarana norantoviko. Nomarihiko ihany hoe Voambolana Merina satria raha tsy diso aho dia tena voambolana manamarika sy nampiasaina teto Imerina irery ihany ireto holazaiko ireto. Ny ANARANA MERINA no hanombohako izany.
MERINA AHO, ILAMBORAZANA AHO !
Maro amintsika no mieritreritra fa ompa sy fanambiana ny atao hoe « Amboa Razana ! » Ye, fanambaniana tokoa aloha ny filazana fa taranak’Aliaka e ! SAINGY TSY IZAY NO IZY SY DIKANY.
Tsy vao omaly ny Merina no nantsoina hoe « Ilamborazana » sy « Amboalambo » fa hatry ny fahagolan-tany. Ary tsy vitany hoe nanaiky ho antsoina ho « Amboalambo /Ambalambo » ny Merina fa aminy dia voninahitra ho azy ireo no natsoina izany. Tany aloha tokoa manko dia “Ilamborazana” no fiantso fa nohon’ny fotoana sy ny sompatry ny tantara dia niova tsikelikely ho “Amboa razana” izany. Tsy hiresaka ny antony nampiova azy anefa isika anio 🙂
Raha mbola tsy niakatra sy Nierina teto Imerina tokoa ny Merina, dia nantsoina hoe tariky ireo « Amboalambo » izy ireo. Tsy sanatria Amboa + Lambo (cochon + chien) akory no dikany fa kosa avy amin’ny teny Austronesiana hoe « Ba-Lembu / Va-Lembu ». Ny Ba- / Va- moa dia hilazana tarika olona sy civilisation (Toy ny hoe Va-waka /civilisation du canoe, na Va-Zimba / civilisation de la forêt).
Ny « Lembu » na « lambu » dia midika tsotra izao hoe « Omby ». Ny « Lembu » manko dia biby masina manana ny maha izy azy eo amin’ny mponina Austronesiana rehetra (isan’izany ny Merina sy ireo foko maro eto Madagasikara) izay manome haja sy hasina an’io biby io manokana.
Nohon’ny tanjaka ny « Lembu » na ny « Lambu », fa indrindra nohon’ny soatoavina nolovain’ny razan’ny Merina tamin’ireo « Malayo-hindu » tany Sri Vijaya, dia biby masina ny « Lembu » satria mampifandray azy ireo amin’ny Zanahary (mbola tantara hafa koa iny).
Miverina amin’ny « Balembu » / Amboalambo aho, satria ireo rehetra izay taranaky ny « Balembu / Balambu » niaina tany amorontsirak’i Madagasikara fahiny (III s ~VII s AD), izay nierina teto Imerina no antsoina hoe « Ilembu-razana ». Efa hatry ny ela, fahagolan-tany no nikoizana ho MAHERY FO rehefa miady ireo « Balembu » ireto, ary indray andro, nisafidy izy ireo ny hipetraka aty anivon’ny tanibe / Benua – Madagasikara (rehefa nanomboka nanjakazaka eraky ny ranomasimbe Indiana ny Arabo).
Ireto Balembu sy ny taranany ireto no Mponina voalohany niakatra teto Imerina (tsy mbola nisy olona teto fa vorombe sy lalomena no teto), Balembu hoy ny Arabo sy ny Bantu – Bazimba hoy ny Merina tonga avy aty afara, Ntaolo hoy ny Merina @ 2016. Fa ny tena marina dia IRAY ihany ireo fa ny vanim-potoana sy ny “referentiel  temps/civilisation” no mampiova ny anarany.
Tsy eto Imerina ihany no manana anjara toerana lehibe ny LEMBU / LAMBU na ny OMBY fa manerana ny tontolo Austronesiana rehetra mihitsy. Ity sary ity dia nalaina tamin’ny foko Minangkabau any Indonezia, eo am-panaovana Sorona / Joro omby iray ry zareo. Lova iraisana ny Hasin’ny Omby eo amin’ny fiankaviambe Austroneziana rehetra, ny mponina rehetra eto Madagasikara hatrany Nusantara

Tsy eto Imerina ihany no manana anjara toerana lehibe ny LEMBU / LAMBU na ny OMBY fa manerana ny tontolo Austronesiana rehetra mihitsy. Ity sary ity dia nalaina tamin'ny foko Minangkabau any Indonezia, eo am-panaovana Sorona / Joro omby iray ry zareo. Lova iraisana ny Hasin'ny Omby eo amin'ny fiankaviambe Austroneziana rehetra, ny mponina rehetra eto Madagasikara hatrany Nusantara

Tsy eto Imerina ihany no manana anjara toerana lehibe ny LEMBU / LAMBU na ny OMBY fa manerana ny tontolo Austronesiana rehetra mihitsy. Ity sary ity dia nalaina tamin’ny foko Minangkabau any Indonezia, eo am-panaovana Sorona / Joro omby iray ry zareo. Lova iraisana ny Hasin’ny Omby eo amin’ny fiankaviambe Austroneziana rehetra, ny mponina rehetra eto Madagasikara hatrany Nusantara

RALEMBU sy LEMBU JANTAN :
Ny tena mahavariana ahy amin’ny tantaran’ny Merina dia ny finiavan’ireo Razany tsy hahafoy sy hanary ireo anaran’ny Razambe any ambadiky ny zoro firarazana (lafy avaratra atsinanan’ny Riaka sy ny Laotra). Hany ka na sarahan’ny Taonarivo mifandimby, sy ny Ranomasimbe midadasika ary izy ireo sy ny razany, dia tsy mba nariany mandrakizay ireo anaran’ny Ikakibeny sy Renibeny.
Ary izany toetra izany, dia mbola lovain’ireo Taranaka Merina  aty amin’ny taonjato faha 21 ihany, satria raha ny ao aminay manokana ohatra fotsiny, dia ny anaran’ny raibenin’ny raibeko ohatra dia mbola mitondra ny anarana hoe Ralembu / Ralambo ihany ny fototranarany (Ikaky Ralambosoa).
Toa Izay koa izany ny amin’i Ralembu (Ralambo) izay inoako fa tsy misy izay tsy mahalala azy isika satria Mpanjaka nalaza teto Imerina izy.
Fa ity no tena mahavariana ahy : ILEMBU SALAMA (Ilambosalama). Maro ny tantara manadiso ny anaran’io Mpanjaka malaza Ampoin’ny Merina io, milaza fa (AMBOA = chien) no fototra anarany. DISO TOMPOKO ! DISO, DISO, DISO !
Diso satria : ny anarana dia hifandovana eto Imerina, mamelomaso ny anarandray foana ny Merina. Ny anarana dia miverimberina eo amin’ny Tetiarana eto Imerina, Tsy niala tamin’izany soataovina izany koa ILEMBU SALAMA raha nantsoina an’io, moa va tsy pi-maso an’i Ralembu razany izany?
Fa ny tena mbola mahavariana ahy dia ity : ILEMBU SALAMA, nieritreritra foana aho hoe « Omby salama » no dikany ! hatramin’ny omaly, andro anio anoratako, sendra nifampiresaka tamin’ny namako iray any Malaysia aho. Izahay moa matetika dia mifampianatra voambolana ka toy ny mahazatra dia mba nanontany azy hoe inona hoy aho no fiantsoanareo ny hoe « taureau » / « bull » ?
Ka ilay skype koa somary ratsy ny « reséau » angambany, ny « kalitao » ny feo tsy lafatra fa gaga be aho fa ny zavatra reko dia hoe « ILAIMBU-TSALAM », dia hoy aho tamin’ny ranamana hoe mba haverena kely hoe fa lalondalovana ny sofiko, dia naveriny fanindroany dia mbola toy izay ihany no reko. Farany hoy aho hoe, sorato hoy aho fa tsy mazava, dia ity no soratany : « Bull = Lembu Jatan »  (teny Malay).
Ny fanoratra samy hafa, fa ny fanenon’ny feony dia kapoka iray amin’ny « Ilemboasalama ».
Manasa anareo aho, mba google-o azafady ny « Lembu Jantan » fa ho hitanareo fa « Ombilahy » no dikany.
Dia tena gaga aho amin’ny fahendren’i Nampoina satria naveriny indroa ny anarany « Ilambosalama = Ombalahy (Bemaso) » ihany no dikany.
Miverina indroa izany ny anaran’i Andrianampoinimerina
1- Lambosalama avy amin’ny “ancien Merina” = Lembu Jatan (Omby lahy)
2- Ombalahibemaso avy amin’ny “teny Merina vaovao”

Ity sary ity no manantona indrindra ny famaritana ny mety ho sarin' i Andrianampoinimerina raha ny boky nosoratan'i RAINITOVO "ANTANANARIVO FAHIZAY", no harahana ara-bakiteny. Toy izao tokoa ny fitafy Merina talohan'ny nahatongavan'ny Eoropeana : Fehiloha, Salaka, Firavaka, Haban-tsofina, Tomboka-vatsa sns ....

Ity sary ity no manantona indrindra ny famaritana ny mety ho sarin’ i Andrianampoinimerina raha ny boky nosoratan’i RAINITOVO « ANTANANARIVO FAHIZAY », no harahana ara-bakiteny. Toy izao tokoa ny fitafy Merina talohan’ny nahatongavan’ny Eoropeana : Fehiloha, Salaka, Firavaka, Haban-tsofina, Tomboka-vatsa sns ….

Ny tena mahavariana ahy foana dia hoe “ahoana ary ny fomba nahafahan’ilay teny Lembu Jatan” tonga taty amin’ny taonjato faha 18 aty ankibon’Imerina nefa t@ taonjato faha 12 tany ho any no nisy tarika farany avy any Nosantara tonga teto. Ny tena azo antoka, dia tsy nariana mihitsy aloha ny lovan-tsofina ary hita taratra izany amin’ny tenin’Andrianampoinimerina hoe ny “ranomasina no valam-parihy”. Izy tsy nahita ranomasina mihitsy (mbola tantara hafa koa iny, tsy maintsy ho lazaiko eto)

Tonga hatraty amin'ny taonarivo fahatelo ny lova avy amin'ny Hasin'ny Lembu, ka napetraka ho Ampingan' Antananarivo ny biby tandindon'ny Ilambosalama / Ombalahibemaso

Tonga hatraty amin’ny taonarivo fahatelo ny lova avy amin’ny Hasin’ny Lembu, ka napetraka ho Ampingan’ Antananarivo ny biby tandindon’ny Ilambosalama / Ombalahibemaso

RANGARITA – I  / RANGITA , RANGAHY / ORANG RAYA , RANADY / RADEN
Ireto anarana ireto indray dia mitady ho very tanteraka ny dikany ka ataoko adidy anio no mifampizara aminareo ny kely mba fantatro mahakasika ny niavian’ny anarana hoe RANGITA, RANGAHY ary RANADY (tafiditra ao RANDRIA, RAONDRIA, RA– sns)
Tsy te ho lava sasiny aho amin’ny fandikan-diso amin’ny teny Frantsay ny dikan’ny anaran’i Neny Rangita. Toa an’Imboasalama ihany e (Chien bien portant hono) Kanefa dia tsy izany velively tompoko ny dikany fa aoka hazava.
Ny Printsesy (Princesse) rehetra amin’ny tontolo Austronesiana (indrindra ireo Polynesian) dia antsoina hoe RANGARITA. « Princesse » tsotra izao no dikany. Manasa anareo anao fikarohana mahakasika ireo anarana Printsesy Polynesiana rehetra, fa nantoina hoe RANGARITA daholo izy ireo.
Ny RANGITA koa dia manakaiky ny teny Malay hoe LANGIT (Lanitra) … Moa va tsy avy amin’izany no niantsoana ny Merina hoe AMBANILANITRA koa, eo ambany fiahian’i Rangita / Langit ?
Rehefa dinihina lalina sy fakafakaina koa ny niavian’ny teny RANGITA dia hita ao ny fototeny austroneziana roa : ORANG (olona) + LANGIT(lanitra). Izany hoe Olon’ny Lanitra, ANDRIAMBAVILANITRA hoy isika. Raha ny “Ethnolingustique pure” no jerena dia RANGITA = ANDRIAMBAVILANITRA no dikany, izy no niavian’ity teny mbola hampiasaina mandrak’ankehitrio ity.
Ankoatran’izay, dia  mifandray sy mifaningotra ihany koa ny RANGITA sy ny RANGAHY. Na Mpanjaka vavy ary no mitondra dia ny fahefany dia mihoatra ny rangahy (autorité matriarcale). ny RANGAHY dia avy amin’ny teny Austronesiana hoe « ORANG » = OLONA, raha tovonana RAYA (ambony) ny ORANG, dia midika tsotra izao hoe « Olona ambony » toy ny hoe « ny vola no maha Rangahy » ny vola no maha olona ambony.
Hatreo aloha fa lava loatra, amin’ny manaraka indray aho milaza ny mahakasika an’i RANADY / RADEN, RAPETO, RAFOHY, RATRIMO, … etc, ry Andriantomponirahina (Andriantomponi-raya/Raja) … sns
Manao veloma mandram-panoratra indray ary,
Mika Andriamahenina Randriamaniraka, Faralahy Zandrinareo

Sary nalaina teny Ambohimanga, mampiseho ireo Omby avy natao sorona araky ny fomba Merina

Sary nalaina teny Ambohimanga, mampiseho ireo Omby avy natao sorona araky ny fomba Merina

La Rédaction

102 Kara est un site libre. Il divulgue les infos que l'on nous fait parvenir . Nous nous efforçons de vérifier l'exactitude de ces divers informations avant de les mettre en ligne. Si vous avez des suggestions, veuillez nous les faire parvenir en cliquant ici. Nous vous remercions de votre fidélité.

Poster une réponse

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.