Parlons bien, disons vrai.

Tsy maty fa matory i Dox

Tsy nisy angamba tsy nahalala an’i Dox izay mpanoratra fanta-daza tokoa.
Jean Verdi Salomon RAZAKANDRAINY no anarany, ary na dia efa nodimandry aza izy dia mbola tsy afaka an-tsaina sy manakoako ny zava-bitany. Avy amin’izany indrindra no anisan’ny nankalazana ny faha-100 taona nahaterahany.

Dox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)

Dox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)

DOX mifoha : io izao no loha-hevitra itondrana sy amohafohazana indray ireo diam-penin’ity mpanoratra ity ao amin’ny Foibe ara-tsaina malagasy sy alemà ny 27 jolay ho avy izao .
Ny iray amin’ny zanak’i Dox dia i SORAJAVONA no nilaza fa betsaka ireo lahatsoratra nosoratan’ny rainy kanefa dia mbola tsy tafavoaka ho fanta-bahoaka. Koa araraotina ny fotoana toy izao mba ampahafantarana azy ireny.
Ny mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra no hanaingo sy hanome hasina ity fotoana ity ka hanisy mozika eny an-tsefatsefany eny.
Hisy afon-dasy ihany koa eny Antanety Ambohijoky ka hampisongadinana ny halalina sy hakanton’ny HAISOTRA napetrak’i Dox.
Izany tokoa no tonga amin’ny hoe :
 » Ny maty namela mangidy tsy misy mpitia velively
Fa ny maty namela ny mamy toa an-dry Dox kosa
NANAO FAHAFATIN-TANTELY.

La Rédaction

102 Kara est un site libre. Il divulgue les infos que l'on nous fait parvenir . Nous nous efforçons de vérifier l'exactitude de ces divers informations avant de les mettre en ligne. Si vous avez des suggestions, veuillez nous les faire parvenir en cliquant ici. Nous vous remercions de votre fidélité.