Parlons bien, disons vrai.

Bonne année 2016

arahaba tratry ny TAO…LANA

Fandre matetika amin’ny vanim-potoana toy izao ny hoe : « tsy mbola tara hatramin’ny faran’ny volana janoary  ny fifampiarahabana tratry ny taona.

Fa nahoana no miandry tara vao mifampiarahaba ? HADINO VE ? sarotra inoiana izany – FANAHY INIANA ary ve ? Io angamba no manakaiky ny marina satria efa very fanahy mbola velona, very fanantenana ihany koa  fa tsy mbola nisy masoandro mihiratra nentin’izay taona vaovao.

Koa dia aleo atao fahazarana fotsiny ny nfifampiarahabana, eny fa dia tsy asiana firarian-tsoa aza : satria efa betsaka izay nifampirariana izay nefa toa vao maika tafalatsaka any amin’ny mangitsokitsoka.

bonne année 2016

VERY FANANTENANA ny maro. Betsaka ny toky omen’ny Fitondrana , nefa tsy tanteraka ny maro amin’izany fa toa very an-javony fotsiny .MAHANTRA ny Firenena, FADIRANOVANA ny vahoaka maro an’isa. Tsy takon’afenina intsony izany ary MANAKO mihintsy manerana an »IZAO TONTOLO IZAO.

Na izany aza dia mbola eo ny aina sy ny fahavelomana, ka aleo mifampiarahaba ihany eny fa na dia hoe tsy mba velona mitsipozipozy intsony, fa tena efa velona MANDADY fa tsy afaka mitraka intsony.

Koa ho fampierireretana no anomezanay anareo ny hiran’i Samoela hoe : raha mpitondra mahay…

Dia tohizan’ny Railovy hoe : nahaoana ianao no mitomany ?

[youtube]https://www.youtube.com/watch?v=m61bEGuZ0uw[/youtube]

La Rédaction

102 Kara est un site libre. Il divulgue les infos que l'on nous fait parvenir . Nous nous efforçons de vérifier l'exactitude de ces divers informations avant de les mettre en ligne. Si vous avez des suggestions, veuillez nous les faire parvenir en cliquant ici. Nous vous remercions de votre fidélité.

Poster une réponse

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.