Parlons bien, disons vrai.

Fanampiana ny hopitaly BEFELATANANA

Mahavelom-bolo fa misy ny tonga saina ka manampy eo amin’ny fampitaovana ny toeram-pitsaboana. Anisan’izany izao ny orin’asa « vitafoam « .Ireo kidoro natolony dia nahafahana nanolo ny am-pahefatr’ireo efa tena drodroka sy kilaototo tao amin’ny hopitaly.
Kidoro 100 no natolony tamin’izany hanoloana izay tena simba amin’ireo kidoro 450 eo amin’ny hopitaly ary

Hopitaly Befelatanana

Hopitaly Befelatanana

ezahina haparitaka amin’ny sampam-pitsaboana rehetra eo an-toerana. Ny tena atao lahara-pamehana amin’izany dia ny sampana mitsabo fo sy ny hoza-taitra na ny neurologie, izay tena betsaka tokoa ny marary.
Nankasitraka sy nisaotra tamin’izao fanomezana izao ny Profesora Mamy RANDRIA, lehiben’ny hopitaly Befelatànana no sady nanainga indrindra koa ny rehetra izay afaka manolotra fitaovana toy izao, satria na dia ny farafara ihany koa aza, hoy izy, dia efa maro no mitongilana sy efa tapa-tongotra mihintsy ka mila fanamboarana na soloina mihintsy. Matoky ny fahatsiarovan-tenan’ny rehetra izahay ka hanamarina hatrany ilay fiteny malagasy feno fahendrena manao hoe : NY VOIN-KAVA-MAHATRATRA « 

La Rédaction

102 Kara est un site libre. Il divulgue les infos que l'on nous fait parvenir . Nous nous efforçons de vérifier l'exactitude de ces divers informations avant de les mettre en ligne. Si vous avez des suggestions, veuillez nous les faire parvenir en cliquant ici. Nous vous remercions de votre fidélité.