Parlons bien, disons vrai.

Resa-pesta

Nandeha dia nandeha tato ho ato ny vaovao mikasika ny pesta. Tany Tomasina no voalaza fa nisehoan’ny aretina voalohany. Raha ny tarehi-marika hatramin’izao :  dia 15 no maty ary efa mihoatra ny 100 no mitondra ny valan’aretina. Manao fanambarana foana ny ao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamana  fa efa mandray fepetra.

Izao farany izao anefa dia ny mpanazatra ny ekipan’i Seychelles mihintsy no maty. Madagasikara mantsy no nandray ny lalao aty amin’ny ranomasina indiana eo amin’ny taranja basket ball. May volotratra ny Minisitera voakask’ity raharaha ity,  ka nanapa-kevitra fa tsy azon’ny besinimaro natrehina intrsony ny tohin’ny fifaninanana tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahan-tena, fa dia ny mpilalao sy mpanazatra ary ny mpitsara sisa no miatrika izany hatramin’ny famaranana.

Tena azo lazaina fa FAHAFAHAM-BARAKA ho an’i Madagasikara izao raharaha izao, ka ilazan’ny tanora mihintsy hoe tena : RESA-PESTA izany nama a !

Brochure informative contre la peste

La Rédaction

102 Kara est un site libre. Il divulgue les infos que l'on nous fait parvenir . Nous nous efforçons de vérifier l'exactitude de ces divers informations avant de les mettre en ligne. Si vous avez des suggestions, veuillez nous les faire parvenir en cliquant ici. Nous vous remercions de votre fidélité.

Poster une réponse

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.