Parlons bien, disons vrai.

Tsiky sy hehy

 1°-Tezitra mafy ity mpiambina ka nilaza hoe : nahoana ianao rangahy ity no mivalan-drano ato anatin’ny dobo filomanosana ?

      Tsy izaho irery anie Ramose no manao izany e….

      — Fa ny anao avy eny ambony fitsambikinana eny mihintsy no atsiritikao.

 

   2°-Fa nahoana kay ry mama no miasa daholo ny olona rehetra ? hoy ity zazalahy kely kamo lahy

        Tsy maintsy miasa raha mbola  velona ety an-tany.

        –Dia ho eny an-dranomasina aho  izany, raha izany …..

    3°-Nody ilay raim-pianakaviana ka sempotsepotra ery ny vadiny nilaza fa ny teny voalohany nolazain’ny zanakao dia ny hoe :  » DADA « 

         Tsara izany hoy rangahy niedinedina eran’ny trano. Ary taiza sy oviana moa no nitenenany an’izany ?

          Teny TSIMBAZAZA raha nijery ilay gidro lehibe  hoy ny valin-tenin-dRamatoa.

     4°-Izaho rehefa mangetaheta dia tsy maintsy omen’ny vadiko RANO MAFANA ho sotroiko. Tsy zakako mantsy ny misotro rano mangatsiaka.

          Efa fantany izany ka dia tsy maintsy misy ranomafana foana ato aminay.

          Tsy taitra akory ramatoa nimonomonona nilaza fa indraindray ny rano mafana avy nanasako lovia no omeko azy fa tsy fantany akory…..

 

       5°- Efa vita ilay toeram-pivoahana afa-tsy ny tafo sisa dia nasian’ny tompony soatra hoe :  » TSY AZO IVOAHANA « 

             Niditra anefa ity lahy antitra iray dia nanao ny nataony tao.

            —Fa ianao ve rangahy ity tsy mahay mamaky teny sa manao fanahiniana  ? Mazava be io sotra io fa mbola tsy azo ivoahana ao ?

             Dia hoy rangahibe : ka izaho anie tsy NIVAOKA fa niditra e !

La Rédaction

102 Kara est un site libre. Il divulgue les infos que l'on nous fait parvenir . Nous nous efforçons de vérifier l'exactitude de ces divers informations avant de les mettre en ligne. Si vous avez des suggestions, veuillez nous les faire parvenir en cliquant ici. Nous vous remercions de votre fidélité.

Poster une réponse

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.