Parlons bien, disons vrai.

Mtotongana ny vokatra malagasy

Vao tsy ela akory izay no tsy noraisin’ny reunionnais ny voatabia avy aty amintsika.
Mampiahiahy tokoa ny toe-javatra toy izany satria teo anelanelan’ny taona 2010-2011 dia NAVERIN’ny mpanafatra entana eropeanina ny lavanilina sy tetchis avy aty amintsika.
Ny antony dia tsotra fotsiny : tsy mifanaraka amin’ny fenitra nifanekena ny vokatra naondrantsika nankany ivelany : izany hoe raha lazaina amin’ny teny fohy sy mazava dia RATSY..

Voatabia 2013

Voatabia 2013


Koa betsaka ny ezaka tokony ataon’ny mpamokatra malagasy mba hahalavorary izay atao. Tokony hararaotina ihany koa ny fanampiana avy amin’ny fianakaviambe eropeanina na ara-pitaovana izany na ara-teknika, fa tsy ho maimay fotsiny hamokatra betsaka nefa alasafay fotsiny sy tsy mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena, hoy ny Minisitry ny fambolena Roland RAVATOMANGA raha nanisy sonia ny fifanekem-piara-miasan’ny Governemanta malagasy sy ny fandaharan’asa EDEC- COLEAP izy.

La Rédaction

102 Kara est un site libre. Il divulgue les infos que l'on nous fait parvenir . Nous nous efforçons de vérifier l'exactitude de ces divers informations avant de les mettre en ligne. Si vous avez des suggestions, veuillez nous les faire parvenir en cliquant ici. Nous vous remercions de votre fidélité.