Parlons bien, disons vrai.

Ny fahorian’ny sasany no fifalian’ny hafa

Raharaha ihany ity fiainana ity, hoy ny filazan’ny maro.
Hevero ange fa fahavoazana iray lavaka ( hoy ny fitenenana ) no nahazo ny mpamboly rehefa mandalo ny andiam-balala. Ao anatin’ny indray andro fotsiny, dia tapitra ripaka avokoa ny voly (ny vary ohatra rehefa matoy ka miandry fijinjana), sy ny voly hafa ihany koa..
Nandripaka tokoa ary ny andiam-balala tany amin’ny faritra atsimon’Antsirabe iny ary dia valalaniny sy vala-ketraka ny mpamboly tamin’izany.

Nuage de criquets

Nuage de criquets

Etsy anilan’izany kosa anefa teo atsinanantsena Asabotsy ao Antsirabe dia ramatoa maromaro no mivarotra ny valala. Tsy mila miantsoantso mpividy akory izy ireo amin’izany, fa ny mpividy no mifandrombaka, satria mba mora ny vidin’ny valala, ary efa tsy ho takatra koa ny vidin’ny hena. 300 ariary no ivarotany ny iray vilia madinidinika. Milaza ireo mpanjifa fa matsiro sy mikarepoka ireto valala ireto ka tena mahasolo laoka vary mihintsy. Koa tsy nahagaga raha lava tokoa ny filaharana hividy valala.
Tsy nisy tompon’andraikitra nanakana izany fivarotam-balala izany ihany koa moa, satria araka ny fantatra avy amin’ny teknisianina, dia tsy misy atahorana akory ny fihinanana ireo valala ireo satria mbola tsy nisy hatramin’izao ny fandrarahana fanafody simika amonoana azy ireny.

Koa izany no ilazana hoe :  » dia ny fahorian’ny sasany tokoa no fifalian’ny sasany « 

La Rédaction

102 Kara est un site libre. Il divulgue les infos que l'on nous fait parvenir . Nous nous efforçons de vérifier l'exactitude de ces divers informations avant de les mettre en ligne. Si vous avez des suggestions, veuillez nous les faire parvenir en cliquant ici. Nous vous remercions de votre fidélité.