Parlons bien, disons vrai.

Nodimandry ny profesora ZAFY Albert

Nodimandry omaly zoma 13 oktobra 2017  teo amin’ny faha-90 taonany ny Profesora ZAFY Albert.

Raha ho tsiahivintsika kely, dia tany amin’ny Oniversite momba ny fitsaboana tany Montpellier izy no nandrato fahalalana ary dia nahazo ny mari-pahaizana ho mpitsabo mpandidy.

– Ministry ny fahasalam-bahoaka izy teo anelanelan’ny traona 1972-1975 tao anatin’ny Fitondrana Ramanantsoa.

– Anisan’ny mpanohitra ny Fitondrana RATSIRAKA ihany koa izy.

Raha nifaninana izy roalahy ireo, tamin’ny fifidianana ny taona 1993, dia lany ho Filoham-pirenena ZAFY Albert ary ny tarigetra nentiny, ka nahafantaran’ny olona azy dia ny hoe ;  » FAHAMARINANA « .

Ny faraparany teo dia azo lazaina fa niady mafy ho amin’ ny FAMPIHAVANAM-PIRERENA  » izy . Ary izy rahateo no nanangana ny Komitim-pirenerna ho amin’ny Fampihavanana izay nandraisan’ny antoko maro anjara, ary nahitana solon-tena avy amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy.

LAVO iny ny andrarezina.

Fa tamin’ny fotoana namparary azy ary alohan’ny nandehanany tatsy amin’ny Nosy la Reunion, dia voalaza fa ny Filoha te aoloha ihany koa RAVALOMANANA Marc no mba namangy azy. Dia hoy ny maro hoe : dia tena tsy nanam-potoana mihintsy ve reo filoha hafa teo aloha, na ireo tompon’andraiki-panjakana maro hafa mba nitsidika na nijery azy ?

Maty izy ity vao nihazakazaka ny Praiminisitra ka nilaza fa hatao fisaonam-pirenena manomboka anio asabotsy.

Anio asabotsy 14 oktobra  amin’ny 3 ora tolakandro tokoa mantsy no ho tonga eto an-tanindrazana ny nofo mangatsiakan’ny Profesora ZAFY Albert ary handrasana ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahan-tena.

Dia hoy ny sasany hoe : velona tsy hita izay natao, ka maty vao Ramalala?

Ary ny lesona ho an’ny rehetra dia ity : na inona na inona tsy fitovian-kevitra ara-POLITIKA dia tokony tsy ifandrafiana izany, na hitsanganan-ko FAHAVALO. Hoy indrindra mantsy ny ohabolana frantsay hoe :  » L’ADVERSAIRE EN POLITIQUE N’EST PAS UN ENNEMI. « 

La Rédaction

102 Kara est un site libre. Il divulgue les infos que l'on nous fait parvenir . Nous nous efforçons de vérifier l'exactitude de ces divers informations avant de les mettre en ligne. Si vous avez des suggestions, veuillez nous les faire parvenir en cliquant ici. Nous vous remercions de votre fidélité.

Poster une réponse

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.