Parlons bien, disons vrai.

Ela ny ela e !

Ela ny ela ka nampitovy na azo atao ihany koa hoe : voatery nampitovy ny tadin-dokangany ny fitondrana mpanatanteraka ny mikasika izay hasolo ireo mpikambana tao amin’ny Governemanta ka tafiditra soa aman-tsara ao anatin’ny lisitry ny ho fidiana ho Filohan’ny Repoblika.
Azo lazaina izany izao fa samy nanaiky ny sori-dàlana tao anatin’ny tondro-zotra na ny Filohan’ny fitondrana tetezamita RAJOELINA Andry na ny Praiminisitra BERIZIKY Omer.
Koa hisy araka izany ny fanovàna ireo Minisitra efatra ao anatin’ny Governemanta dia i

RAJAONARIVELO Pierrot
ANDRIANAINARIVELO Hajo
RAJAONARIMAMPIANINA Hery ary
RANDRIAMANANTSOA Tabera.

Les politiciens concernés

Les politiciens concernés

Raha hisy anefa ny fanovàna ireo mpikambana ao anatin’ny Governemanta dia mety tsy ho izy efatra mirahalahy ireo ihany no ho ovàna fa mety misy hafa ihany koa . Dia mipetraka ihany koa ny fanontaniana hoe :  » ny hery politika tahaka ny inona no afaka manolotra olona ho lasa minisitra ?
Mazava ho azy fa mbola ho sahotaka ihany koa ny amin’io lafin-javatra iray io.

Fa ny zavatra raikitra kosa dia ny daty hanaovana ny fifidianana izay ho Filohan’ny Repoblika.
Koa tapaky ny fivorian’ny filan-kevitry ny Minisitra ary navoakan’ny CENIT fa ny 25 OKTOBRA ho avy izao no hanaovana ny fihodinana voalohany eo amin’izany fifidianana izany.Ny fihodinana faharoa kosa izay nosalakain’ny fifidianana izay ho solombavambahoaka , dia hatao ny 20 DESAMBRA 2013.

La Rédaction

102 Kara est un site libre. Il divulgue les infos que l'on nous fait parvenir . Nous nous efforçons de vérifier l'exactitude de ces divers informations avant de les mettre en ligne. Si vous avez des suggestions, veuillez nous les faire parvenir en cliquant ici. Nous vous remercions de votre fidélité.