Parlons bien, disons vrai.

Migadona ny taona 2017

Rariny loatra raha mifampiarahaba isika na inona na inona zavatra nitranga.

Tsy mamoha fota-mandry isika raha milaza fa betsaka ny zavatra nampangirifiry tamin’iny taona lasa iny ohatra  ka toa NIVADIKA MIHINTSY NY RASA : ny faritra atsimo izay maina no niharan’ny tondra-drano, ka na dia hisy fiantraikany amin’ny voly anefa izany, dia nanapotika kosa ny làlana. Etsy an-kilany kosa dia KARAKAINA ny afovoan-tany ka tsy nisy orana nirotsaka.

Dia io fa vao maika nihamafy  ny fahavoazana satria ny jiro tapaka efa adiny 10 isan’andro. Ny rano koa takina satria ritra ny ranon’i Mandroseza izay mamatsy rano an’Antananarivo. Nosokafana ny toha-drano ao Tsiazompaniry nefa tsy dia nisy fiantraikany firy.

Ny asan-dahalo moa dia tsy mijanona etsy sy eroa na dia efa maro amin’ireny olon-dratsy ireny aza no efa mitondra faisana sy maty mihintsy.

Tsy mbola voaravina ihany koa ny fitateram-bahoaka ary dia nilaza ny CTU fa hampiakatra ny saran-dàlana ho 700 ariary manomboka amin’ny voalohan’ ny volana febroary ho avy izao. Nampanantena subvention mantsy ny fitondram-panjakana nefa nisy mbola tsy nahazo tamin’ny 2015 ary hatramin’ny novambra 2016 dia tsy nisy mihintsy.

Ho lava ny lisitra raha ho tanisaina eto avokoa ny hirifiry sy fijaliana nahazo ny vahoaka tamin’iny taona nivalona iny ka mba ho SETRIN’IZANY dia andeha isika hitafy fanantenana satria izao farany izao dia nilaza ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany fa hanao trano 3000 ho an’ny fianakaviana sahirana ary hanao ihany koa lalana migodàna be na autoroute hampitohy an’i Toamasina amin’i Fenoarivo atsinanana, sy Mananara

Dia hoy isika hoe : ho tanteraka anie izany  A M E N .

102kara liked this post
La Rédaction

102 Kara est un site libre. Il divulgue les infos que l'on nous fait parvenir . Nous nous efforçons de vérifier l'exactitude de ces divers informations avant de les mettre en ligne. Si vous avez des suggestions, veuillez nous les faire parvenir en cliquant ici. Nous vous remercions de votre fidélité.

Poster une réponse

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.