Parlons bien, disons vrai.

Lasa izao

Heverina ary inoana tsy am-pihambahambana fa HITONDRA lamina sy endrika tsara vaovao eo amin’ny fifamoivoizana ny fametrahana ny FITAOVANA handrindràna ny fiantsonan »ny fiarakodia na ny parking. Efa hitantsika mantsy fa efa nanomboka napetraka manaraka ny araben’ny fahaleovan-tena izany tamin’ny herinandro lasa teo. Asiana toa izany avokoa ny eo amin’ny tany malalaka Analakely, ny etsy Antsahavola, Antaninarenina.
Koa izay fiarakodia mijaonona eny izany dia handoa eo anelanelan ‘ny 400 ka hatramin’ny 600 ariary ny AINY IRAY. Ny filan-kevitry ny tananan’Antananarivo no hamaritra ny tena sara-piantsonana raikitra.Efa nomboka ny andrana, ary amin’ny voalohan,dohan’ny volana jolay izany vao tena ho raikitra.
LAFINY TSARA : hamorona asa ho an ny olona hatrany amin’ny 4OO izy ity, izay hanao fanamiana ka hijery sy handamina ny fizotry ny fiantsonana. Amin’izao fotoana izao mantsy dia mbola misy ireo fiara MIONGIZINA eny, ary efa fotoana maharitra mihintsy. Ao koa ireo manao toeran’ny tsy manan-kavana ka mibahambahana sy mitsivalambalana eny rehetra eny.
Ho azy ireny indrindra no tena ilaina ity fitaovana ity : ka na izy ireo handoa ny sarany isan’ora, na isan’andro na isam-bolana fa tsy hibodo toerana fotsiny eo.
Vita hatreo izany ny fanaovana BE MARENINA, fa samy hanara-dalàna amin’izay satria raha mbola misy ny mitady hanao mafy loha dia any amin’ny FOURRIERE izy ireo no hitsimpona ny fiarakodiany .
Eo amin’ny toerana 2000 no ho voakasin’izao hetsika voalohany izao, izay mazava ho azy fa hampihena ny fitohan’ny fiarakodia efa mampiteny ny moana mihintsy.
Firariana no atolotra ny orin’asa hitantana izao hetsika vaovao izao : dia ,hoy izahay hoe : LASA IZAO…

Mandimby Andrianarisoa

La Rédaction

102 Kara est un site libre. Il divulgue les infos que l'on nous fait parvenir . Nous nous efforçons de vérifier l'exactitude de ces divers informations avant de les mettre en ligne. Si vous avez des suggestions, veuillez nous les faire parvenir en cliquant ici. Nous vous remercions de votre fidélité.