Parlons bien, disons vrai.

Midradra mitomany

Midradradradra,mitomany, mangirifiry ary miferon’aina ireo tra-boina mihoatra ny 4000 tao amin’ny fokontanin’Ankadirano sy Anosinakoho any Mananjary.

Trano 615 mantsy no may tsy nisy noraisina  intsony tamin’ny alatsinainy lasa teo. Nangataka fanampiana ireo niharam-boina kanefa dia ireo mpiray tanindrazana aminy, avy any Mananjary ihany,  no mba nanao tsipaipaika homena azy ireo. Fa nankaiza ra-Fanjakana ?

Nisy ny maty, tao ny naratra, ary ny sisa velona nanao tafo lanitra ka ny  akanjo teny an-kodiny sisa. Hatramin’izao ny Fanjakana ny Minisiteran’ny mponina dia tsy henoheno mihintsy, sa sanatrian’ny vava ladian’ny lela ve,  ka hanao izany ho toy ny  vain-drahalahy tsy maharary ?

Tamin’ny alatsinainy hifoha talata io koa dia trano 60 no kila forehitra tany Antaninanahary any Miandrivazo noho ny hetraketraky ny dahalo.

—Tany Ambodimanga any Maevatanana dia trano 220 ihany koa no kila sy may ka 1278 no tra-boina.

36 tafo ihany koa no may tany Mahatsinjokely.

Ary dia mbola tsy adinointsika koa ireo hai-trano mahatsiravina tany Antsakabary.

Izany rehetra izany no ilazana fa mitondra ny tsy eran’ny aina ireo tra-boina ka mangata-panampiana amin-drafanjakana,  satria raha mitohy izao dia ho betsaka lavitra noho ny antontan’isan’ireo marary sy matin’ny pesta ny an’ireo tra-boina ireo.

La Rédaction

102 Kara est un site libre. Il divulgue les infos que l'on nous fait parvenir . Nous nous efforçons de vérifier l'exactitude de ces divers informations avant de les mettre en ligne. Si vous avez des suggestions, veuillez nous les faire parvenir en cliquant ici. Nous vous remercions de votre fidélité.

Poster une réponse

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.