Parlons bien, disons vrai.

Nahavita fianarana nefa mi-Chôm !

Sekoly mpamokatra mpanabe, ary efa namoaka maro tamin’izany, ny Ecole Nationale Superieure etsy AMPEFILOHA.
Tamin’izao indray mitoraka izao anefa dia 10% amin’ireo nahavita fianarany no mbola tsy nahazo asa. Raha ny marina no marina mantsy dia efa nisy ny fifanarahana teo amin’ny fitondram-panjakana sy ity sekoly ambony ity, fa hatao mpiasam-panjakana izay nahavita fianarana tao amin’ity sekoly ambony ity. Koa amin’ireo izay tsy nahazo asa hatramin’izao, dia nisy nanangana sekoly, ao ihany koa ny niasa avy hatrany tany amin’ny sekoly tsy miankina mandra-piantso azy ireo ho mpiasam-panajakana.

Marihina fa efa 30 taona moa izao no niisian’ity sekoly ambony mpamolavola sy mpanabe mpandraharaha ity, ary dia nisy ny fotoam-panamarihina izany tsingerin-taona izany ka mpanabe 89 no notolorana ny mari-boninahitra sy fankasitrahana  » CHEVALIER ORDRE NATIONAL « Teo ihany koa ny fitokanana foto-drafitr’asa vaovao ahafahana miroso amin’ny ratsam-pampianarana LMD ( licence master doctorat ) izay hisokatra amin’ny taom-pianarana ho avy io.

Ary dia marihina eto am-pamaranana fa hatramin’izay 30 taona bnijoroany izay dia efa mahatratra 3000 ny mpanabe sy mpandraharaha navoakan’ity Ecole Normale Superieure ity.

Ecole Nationale Supérieure

École Nationale Supérieure

La Rédaction

102 Kara est un site libre. Il divulgue les infos que l'on nous fait parvenir . Nous nous efforçons de vérifier l'exactitude de ces divers informations avant de les mettre en ligne. Si vous avez des suggestions, veuillez nous les faire parvenir en cliquant ici. Nous vous remercions de votre fidélité.